Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

26 Febroary–3 Martsa

SALAMO 11-15

26 Febroary–3 Martsa

Hira 139 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. Alao Sary An-tsaina hoe ao Amin’ny Tontolo Vaovao Ianao

(10 min.)

Be dia be ny herisetra amin’izao satria tsy mankatò lalàna sy tsy manaja filaminana ny olona (Sl 11:2, 3; w06 15/5 18 § 3)

Matoky isika hoe tsy ho ela dia hofoanan’i Jehovah ny herisetra (Sl 11:5; wp16.4 11)

Ho vonona hiandry ny tontolo vaovao isika raha misaintsaina ny fampanantenan’i Jehovah hoe hamonjy antsika (Sl 13:5, 6; w17.08 6 § 15)

ANDRAMO IZAO: Vakio ny Ezekiela 34:25, ary alao sary an-tsaina hoe hilamina be hoatran’ilay resahin’io andininy io ny fiainanao.​—kr 236 § 16.

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Sl 14:1: Nahoana no mety hifindra amin’ny Kristianina ilay toe-tsaina voaresaka ao amin’io andininy io? (w13 15/9 19 § 12)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Baiboly

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(2 min.) TSY ARA-POTOANA. Asao hanatrika Fahatsiarovana ilay olona. (lmd lesona 5, hevitra 3)

5. Miresadresaha Aloha

(1 min.) ISAN-TRANO. Asao hanatrika Fahatsiarovana ilay olona. (lmd lesona 3, hevitra 4)

6. Miresadresaha Aloha

(3 min.) ISAN-TRANO. Liana ilay olona rehefa nomenao fanasana Fahatsiarovana. (lmd lesona 7, hevitra 4)

7. Rehefa Mampianatra

(5 min.) lff lesona 13, famintinana sy famerenana ary tanjona. Mifidiana lahatsoratra iray eo amin’ilay hoe “Jereo koa Ireto” mba hanampiana ny mpianatrao hahita hoe ahoana ny fiheveran’i Jehovah ny fivavahan-diso. (th lesona 12)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 8

8. “Aleo Fahendrena toy Izay Fitaovam-piadiana”

(10 min.) Fiaraha-midinika.

Mitombo be ny herisetra maneran-tany. Fantatr’i Jehovah hoe mampitebiteby be antsika ny mahita herisetra na iharan’izany. Fantany koa hoe mila arovana amin’izany isika, ary mampiasa ny Teniny izy mba hiarovana antsika.​—Sl 12:5-7.

Misy torohevitra feno fahendrena izay tsara kokoa noho ny “fitaovam-piadiana” ao amin’ny Baiboly. (Mpto 9:18) Nahoana ireto torolalan’ny Baiboly ireto no miaro antsika mba tsy hiharan’ny herisetra?

  • Mpto 4:9, 10: Aza mandeha irery amin’ny toerana mampiahiahy

  • Oh 22:3: Miezaha foana ho mailo amin’izay zava-mitranga manodidina anao, rehefa tsy ao an-trano ianao

  • Oh 26:17: Aza midikiditra amin’ny adin’olona

  • Oh 17:14: Ialao ny toerana mety hitrangan’ny herisetra. Raha misy olona mitady hirotsaka an-dalambe, dia mialà haingana

  • Lk 12:15: Aza manao sorona ny ainao mba hiarovana ny fanananao

Alefaso ilay VIDEO hoe Tahafo Ireo Manam-pinoana: Enoka fa Tsy Lameka. Iaraho midinika amin’ny mpanatrika ity fanontaniana ity avy eo:

Nahoana ny modelin’i Enoka no nanampy an’ilay raim-pianakaviana handray fanapahan-kevitra tsara rehefa nanjaka ny herisetra tany amin-dry zareo?​—He 11:5

Amin’ny toe-javatra sasany dia mety hanao zavatra mba hiarovana ny tenany sy ny fananany ny Kristianina iray. Tokony hiezaka mafy araka izay azony atao anefa izy mba tsy hamono olona ka hivesatra trosan-dra.​—Sl 51:14; jereo ilay “Fanontanian’ny Mpamaky”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Jolay 2017.

9. Ezaka Manokana Hizarana Fanasana Fahatsiarovana Manomboka ny Asabotsy 2 Martsa

(5 min.) Lahateny ataon’ny anti-panahy. Resaho koa ny fandaharana ataon’ny fiangonana momba ny lahateny manokana sy ny Fahatsiarovana ary ny fomba hamitana ny faritany. Ampahatsiahivo ny mpitory hoe afaka manao mpisava lalana mpanampy izy ireo mandritra ny volana Martsa sy Aprily, ary afaka mifidy ny hanatratra 15 ora.

10. Fianarana Baiboly

(30 min.) rr toko 6 § 14-19

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 143 sy Vavaka