29 Janoary–4 Febroary
JOBA 40-42
Hira 124 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)
1. Inona no Ianarantsika avy Amin’ny Zavatra Niainan’i Joba?
(10 min.)
Voafetra ihany ny zavatra fantatsika raha oharina amin’ny an’i Jehovah (Jb 42:1-3; w10 15/10 3-4 § 4-6)
Vonona hanaiky torohevitra avy amin’i Jehovah sy ny fandaminany (Jb 42:5, 6; w17.06 25 § 12)
Hamaly soa antsika i Jehovah raha tsy mivadika isika na eo aza ny fitsapana (Jb 42:10-12; Jk 5:11; w22.06 25 § 17-18)
2. Vatosoa Ara-panahy
(10 min.)
-
Jb 42:7: Iza, raha ny marina, no tena nesoin’ny naman’i Joba telo lahy, ary nahoana izany no manampy antsika hiaritra rehefa misy maneso? (it “Maneso”: “Esoina ny mpanompon’Andriamanitra” § 6)
-
Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?
3. Famakiana Baiboly
(4 min.) Jb 42:1-17 (th lesona 11)
4. Miresadresaha Aloha
(3 min.) ISAN-TRANO. Tsy Kristianina ilay olona itorianao. (lmd lesona 5, hevitra 3)
5. Rehefa Mampianatra
6. Lahateny
(4 min.) lmd Fanazavana Fanampiny A, hevitra 2: Foto-kevitra: Tsy ho Potika Mihitsy ny Tany. (th lesona 13)
Hira 108
7. Ampio ny Hafa Hahatsapa hoe Tia Azy i Jehovah
(15 min.) Fiaraha-midinika.
Faly isika manompo an’ilay Andriamanitra be fitiavana. (1Jn 4:8, 16) Te ho lasa namany isika noho izany, ary te hifandray akaiky aminy foana. Ondrin’i Jehovah isika, dia tsapantsika hoe tia antsika izy.
Miezaka manahaka ny fitiavan’i Jehovah isika, dia asehontsika izany rehefa miaraka amin’ny fianakaviantsika sy ny mpiara-manompo ary ny olon-kafa. (Jb 6:14; 1Jn 4:11) Raha mampiseho fitiavana isika, dia lasa mahafantatra an’i Jehovah sy manatona azy ny olon-kafa. Fa raha tsy izany, dia tsy ho hitan-dry zareo hoe hoatran’ny ahoana ny fitiavan’i Jehovah.
Alefaso ilay VIDEO hoe Nomen’i Jehovah Fianakaviana Be Fitiavana Izahay. Iaraho midinika ity fanontaniana ity avy eo:
Ahoana no ahitantsika hoe zava-dehibe ny mampiseho fitiavana, rehefa jerena ny zavatra niainan’i Lei Lei sy Mimi?
Inona no azontsika atao mba hahatonga ny mpiara-manompo hahatsapa hoe tia azy i Jehovah?
-
Tadidio hoe ondry sarobidy izy ireo amin’i Jehovah.—Sl 100:3
-
Ataovy mampahery ny teninao rehefa miresaka aminy.—Ef 4:29
-
Miezaha hahatakatra ny fihetseham-pony.—Mt 7:11, 12
8. Fianarana Baiboly
(30 min.) rr toko 5 § 9-16