Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

10-16 Febroary

SALAMO 147-150

10-16 Febroary

Hira 12 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. Manana Antony Be dia Be Hiderana An’i Jah Isika

(10 min.)

Mikarakara antsika tsirairay izy (Sl 147:3, 4; w17.07 18 § 5-6)

Mahazo tsara an’izay tsapantsika izy sady mampiasa ny heriny mba hanampiana antsika (Sl 147:5; w17.07 18 § 7)

Omeny tombontsoa ho anisan’ny vahoakany isika (Sl 147:19, 20; w17.07 21 § 18)


SAINTSAINO IZAO: ‘Inona koa no mandrisika ahy hidera an’i Jehovah?’

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Sl 148:1, 10: Nahoana no hoe midera an’i Jehovah ny “vorona manana elatra”? (it-2 1178 § 4)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Baiboly

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(3 min.) ISAN-TRANO. Milaza aminao ilay olona hoe manana aretina mitaiza izy. (lmd lesona 2, hevitra 5)

5. Miresadresaha Aloha

(4 min.) TSY ARA-POTOANA. Mitadiava hirika hiresahana amin’ilay olona momba ny zavatra iray nianaranao vao haingana tany am-pivoriana. (lmd lesona 4, hevitra 3)

6. Lahateny

(5 min.) w19.03 10 § 7-11: Foto-kevitra: Henoy i Jesosy: Torio ny Vaovao Tsara. Ampiasao ny sary. (th lesona 14)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 159

7. Tatitra Isan-taona

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Vakio ilay taratasy misy ny tatitra isan-taona avy amin’ny biraon’ny sampana. Asao ny mpanatrika avy eo mba hiresaka tsipiriany hafa mahaliana ao amin’ny Tatitra Maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah, Taom-panompoana 2024. Manadinadìna mpitory vitsivitsy manana fitantarana mampahery momba ny fanompoany tamin’ny taon-dasa.

8. Fianarana Baiboly

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 26 sy Vavaka