Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

24 Febroary–2 Martsa

OHABOLANA 2

24 Febroary–2 Martsa

Hira 35 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. Nahoana Ianao no Tokony Hazoto Hianatra Samirery?

(10 min.)

Asehonao amin’izany hoe sarobidy aminao ny fahamarinana (Oh 2:3, 4; w22.08 19 § 16)

Manampy anao hahay hanapa-kevitra izany (Oh 2:5-7; w22.10 19 § 3-4)

Manatanjaka ny finoanao izany (Oh 2:11, 12; w16.09 23 § 2-3)

SAINTSAINO IZAO: ‘Ahoana no azoko anatsarana ny fahazarako mianatra samirery?’

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Oh 2:7: Nahoana i Jehovah no antsoina hoe “ampingan’izay tsy mivadika aminy”? (it-2 1092 § 4)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Baiboly

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(4 min.) ISAN-TRANO. Asehoy an’ilay olona hoe ahoana no hahitana fanazavana mahasoa ny mpivady ao amin’ny jw.org. (lmd lesona 1, hevitra 3)

5. Rehefa Miverina Mitsidika

(3 min.) TSY ARA-POTOANA. Manomeza gazety miresaka momba ny zavatra nahaliana an’ilay olona tamin’ianareo nihaona farany. (lmd lesona 9, hevitra 3)

6. Lahateny

(5 min.) lmd Fanazavana Fanampiny A, hevitra 8: Foto-kevitra: Tsy Tokony Hivadika Amin’ny Vadiny ny Olona Manambady. (th lesona 13)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 96

7. Mpikaroka Harena Miafina ve Ianao?

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Rankizy, ianareo ve tia mikaroka harena miafina? Raha izany, dia tadidio fa manasa anareo hikaroka an’ilay harena sarobidy indrindra eran’izao tontolo izao ny Baiboly. Inona izany? “Ny fahalalana an’Andriamanitra.” (Oh 2:4, 5) Hahita azy io ianareo raha manokana fotoana hamakiana Baiboly tsy tapaka sady mikaroka momba an’izay vakinareo. Ho hitanareo fa mahafinaritra izany sady mahasoa!

  • Inona avy ny fanontaniana azonao eritreretina rehefa mamaky Baiboly? (w24.02 32 § 2-3)

  • Inona avy ny fitaovana azonao ampiasaina mba hahitana ny valin’ireo?

Afaka manampy anao hisaintsaina an’izay vakinao ao amin’ny Baiboly ilay video mifampitohy hoe Andao Hianatra avy Amin’ny Naman’i Jehovah.

Alefaso ilay VIDEO hoe Andao Hianatra avy Amin’ny Naman’i Jehovah: Abela.

Vakio ny Genesisy 4:2-4 sy ny Hebreo 11:4. Iaraho midinika ireto avy eo:

  • Ahoana no nampisehoan’i Abela hoe naman’i Jehovah izy?

  • Inona no nataon’i Abela mba hahatonga azy hino kokoa an’i Jehovah?

  • Inona no azonao atao mba hanam-pinoana kokoa ianao?

8. Fianarana Baiboly

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 13 sy Vavaka