Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

27 Janoary–2 Febroary

SALAMO 140-143

27 Janoary–2 Febroary

Hira 44 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. Manaova Zavatra Mifanaraka Amin’ny Vavaka Ataonao

(10 min.)

Miezaha hanaiky torohevitra (Sl 141:5; w22.02 12 § 13-14)

Saintsaino izay nataon’i Jehovah mba hamonjena ny mpanompony (Sl 143:5; w10 15/3 32 § 4)

Miezaha hitovy fomba fijery amin’i Jehovah (Sl 143:10; w15 15/3 32 § 2)

Resahin’ny Salamo 140-143 fa tsy hoe niangavy an’i Jehovah hanampy azy fotsiny i Davida, fa nanao zavatra nifanaraka tamin’ny vavaka nataony koa.

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Sl 140:3: Nahoana ny lelan’ny ratsy fanahy no noharin’i Davida tamin’ny poizin’ny bibilava? (it-2 696 § 9)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Baiboly

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(4 min.) TSY ARA-POTOANA. Miezaha hampiditra resaka avy ao amin’ny Baiboly rehefa avy nanao zavatra hanampiana an’ilay olona. (lmd lesona 3, hevitra 5)

5. Rehefa Miverina Mitsidika

(3 min.) AMPAHIBEMASO. Miteny aminao ilay olona hoe sahirana izy. (lmd lesona 7, hevitra 3)

6. Hazavao ny Zavatra Inoanao

(5 min.) Fampisehoana. ijwfq lahatsoratra 21: Foto-kevitra: Nahoana Ianareo no Tsy Manaiky Hampidiran-dra? (th lesona 7)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 141

7. Miomàna Hiatrika Fitsaboana na Fandidiana

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Mampanantena i Jehovah hoe “vonona hanampy foana izy amin’ny fotoan-tsarotra.” (Sl 46:1) Mety hiady saina be isika rehefa mila fitsaboana na fandidiana. Omen’i Jehovah an’izay rehetra ilaintsika anefa isika mba ho vonona mialoha raha sendra mila an’izany. Ireto avy, ohatra, no omeny antsika amin’ny alalan’ny fandaminany: Karatra Fanomezan-dalana Momba ny Fitsaboana (FMF), Karatra Famantarana, a ary fanazavana hafa momba ny fitsaboana. b Eo koa ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly (KMH). Manampy antsika hankatò ny lalàn’Andriamanitra momba ny ra ireo rehetra ireo. ​—As 15:28, 29.

Alefaso ilay VIDEO hoe Efa Vonona ve Ianao Raha Sendra Mila Fitsaboana? Iaraho midinika ireto avy eo:

  • Inona ny soa noraisin’ny mpiara-manompo efa nameno karatra FMF?

  • Inona no soa azon’ny olona sasany tamin’ilay Fanazavana ho An’ny Vehivavy Bevohoka (S-401)?

  • Nahoana no tena tsara foana ny mifandray amin’ny KMH haingana araka izay azo atao, raha misy mila mijanona any amin’ny hopitaly na mila didiana na mila manaraka karazana fitsaboana iray, ohatra hoe fitsaboana kansera, na dia hoatran’ny hoe tsy mila fampidiran-dra aza ilay izy?

8. Fianarana Baiboly

(30 min.) rr toko 21 § 1-6, video fampidirana, efajoro 21A

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 35 sy Vavaka

a Azon’ny mpitory vita batisa alaina any amin’ny mpikarakara boky ilay FMF. Raha manan-janaka mbola tsy ampy taona izy, dia afaka maka an’ilay Karatra Famantarana ho azy ireo.

b Azo angatahana any amin’ny anti-panahy ireto rehefa ilaina: Fanazavana ho An’ny Vehivavy Bevohoka (S-401), Fanazavana ho An’ny Marary Mila Fandidiana na Manaraka Fitsaboana Simika (S-407), ary Toromarika ho An’ny Ray Aman-dreny Manana Zanaka Mila Fitsaboana (S-55).