Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

6-12 Janoary

SALAMO 127-134

6-12 Janoary

Hira 134 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. Ry Ray Aman-dreny, Karakarao Tsara Foana Ilay Lova Sarobidy Nomena Anareo

(10 min.)

Afaka matoky ny ray aman-dreny hoe hanampy azy ireo hikarakara ny ankohonany i Jehovah (Sl 127:1, 2)

Fanomezana sarobidy avy amin’i Jehovah ny zanaka (Sl 127:3; w21.08 5 § 9)

Ampiofano mifanaraka amin’izay ilainy ny ankizy tsirairay (Sl 127:4; w19.12 26 § 20)

Ankasitrahan’i Jehovah ny ray aman-dreny rehefa miantehitra aminy sady manao izay tsara indrindra vitany mba hikarakarana ny zanak’izy ireo

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Sl 128:3: Nahoana ny zanaka no oharin’ny mpanao salamo amin’ny tsimok’oliva? (it-1 543 § 3)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Baiboly

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(3 min.) TSY ARA-POTOANA. (lmd lesona 1, hevitra 3)

5. Miresadresaha Aloha

(4 min.) TSY ARA-POTOANA. Miresaka zavatra iray inoany ilay olona, nefa mifanohitra amin’ny Baiboly ilay izy. (lmd lesona 5, hevitra 4)

6. Rehefa Mampianatra

(5 min.) lff lesona 16, hevitra 4-5. Resaho amin’ilay mpianatra hoe ahoana no anohizana ny fianarany rehefa tsy eo ianao. (lmd lesona 10, hevitra 4)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 13

7. Ry Ray Aman-dreny, Ampiasao Ilay Fitaovana Fampianarana Mandaitra

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Mamoaka zavatra be dia be ny fandaminana mba hanampiana ny ray aman-dreny hampianatra ny zanany momba an’i Jehovah. Ny modely omen-dry zareo foana anefa no anisan’ny mandaitra indrindra mba hampianarana ny zanany.​—De 6:5-9.

Nampiasa an’io fitaovana mandaitra io i Jesosy mba hampianarana ny mpianany.

Vakio ny Jaona 13:13-15. Iaraho midinika ity avy eo:

  • Araka ny hevitrao, nahoana no nandaitra ilay fomba fampianaran’i Jesosy hoe izy mihitsy no nanome modely?

Misy heriny kokoa amin’ny ankizy ny zavatra ampianarin’ny ray aman-dreny raha tsy mpitari-bato vilam-bava ry zareo. Handrisika ny zanany hihaino sy hankatò an’izay ampianariny koa izany.

Alefaso ilay VIDEO hoe Modely ho An’ny Zanakay Izahay. Iaraho midinika ireto avy eo:

  • Inona avy ny lesona lehibe nampianarin’ny Rahalahy sy Ranabavy Garcia ny zanany vavy?

  • Nahoana io video io no mandrisika anao hanome ohatra tsara ho an’ny zanakao foana?

8. Fianarana Baiboly

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 144 sy Vavaka