NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Mba Andramo Ange na dia Herintaona Fotsiny aza E!
Fa inona izany? Hanao mpisava lalana maharitra. Handray soa be dia be ianao amin’izay. (Oh 10:22) Inona avy izany?
RAHA MANAO MPISAVA LALANA IANAO, DIA. . .
-
lasa mahay mitory, ka hahafinaritra anao kokoa ny manompo
-
vao mainka hifandray amin’i Jehovah. Isaky ny miresaka momba azy mantsy ianao, dia hahatsiaro an’ireo toetrany tena tsara
-
ho afa-po satria manao loha laharana an’ilay Fanjakana. Ho faly koa ianao fa manampy olona.—Mt 6:33; As 20:35
-
ho afaka hanatrika ny fivorian’ny mpisava lalana miaraka amin’ny mpiandraikitra ny faritra, sy ny fivorian’ny mpisava lalana alohan’ny fivoriamben’ny faritra, ary ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana
-
ho afaka hanomboka sy hitarika fampianarana Baiboly maro kokoa
-
hiaraka kokoa amin’ny mpitory hafa ka ho afaka hifampahery aminy.—Ro 1:11, 12