4- 10 Jolay
SALAMO 60-68
Hira 104 sy Vavaka
Teny Fampidirana (3 min. na latsaka)
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
“Derao i Jehovah, Ilay Mpihaino Vavaka”: (10 min.)
Sl 61:1, 8: Resaho amin’i Jehovah amin’ny vavaka ny voady nataonao taminy (w99 15/9 9 § 1-4)
Sl 62:8: Matokia an’i Jehovah ka resaho aminy daholo izay ao am-ponao (w15 15/4 25-26 § 6-9)
Sl 65:1, 2: Mihaino ny vavaky ny olona tena mitady azy i Jehovah (w15 15/4 22 § 13-14; w10 15/4 5 § 10; it “Vavaka”: “Iza no henoin’Andriamanitra?” § 1)
Andao Hikaroka Harena Miafina: (8 min.)
Sl 63:3: Maneho hatsaram-panahy feno fitiavana i Jehovah. Nahoana izany no tsara noho ny aina? (w06 1/6 11 § 7)
Sl 68:18: Iza ireo ‘lehilahy natao fanomezana’? (w06 1/6 10 § 4)
Inona no ianarako momba an’i Jehovah, amin’ny famakiana Baiboly amin’ity herinandro ity?
Ary inona ny hevitra azoko ampiasaina amin’ny fanompoana?
Famakiana Baiboly: (4 min. na latsaka) Sl 63:1–64:10
FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA
Omano ny Fitoriana Amin’ity Volana Ity: (15 min.) Fiaraha-midinika. Alefaso tsirairay ireo video misy fomba fitory modely, ary iaraho midinika ny hevi-dehibe. Ampirisiho ny mpitory hamorona fomba fitory mety aminy.
NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
“Hahavita Hanompo Bebe Kokoa Ianao Raha Manana Fiainana Tsotra Foana”: (15 min.) Iaraho midinika aloha ilay lahatsoratra. Alefaso avy eo ilay video ao amin’ny Tele JW hoe Nanatsotra ny Fiainanay Izahay. (Jereo eo amin’ilay hoe VIDEO REHETRA > FIANAKAVIANA.) Iaraho midinika vetivety ilay video. Ampirisiho ny rehetra mba handinika hoe ahoana no azony anatsorana ny fiainany mba hanompoana bebe kokoa.
Fianarana Baiboly: (30 min.) ia toko 19 § 1-16
Famintinana sy Santionan’izay Hodinihina Amin’ny Herinandro (3 min.)
Hira 88 sy Vavaka