Fanoharana Momba An’ilay Samaritanina Tsara Fanahy
Nilaza an’io fanoharana io i Jesosy, rehefa nisy nanontany azy hoe: “Fa iza marina moa no namako?” (Lk 10:25-29) Fantatr’i Jesosy mantsy fa ho lasa anisan’ny fiangonana kristianina ny “karazan’olona rehetra”, anisan’izany ny Samaritanina sy ny hafa firenena. (Jn 12:32) Nampianatra ny mpanara-dia azy àry izy hoe tokony ho tia ny olon-drehetra izy ireo, anisan’izany ny olona tsy mitovy fiaviana na kolontsaina amin’izy ireo.
SAINTSAINO IZAO:
-
‘Ahoana no fiheverako an’ireo rahalahy sy anabavy tsy mitovy fiaviana amiko?’
-
‘Izay mitovitovy amiko ihany ve no tena iarahako?’
-
‘Vonona hifandray kokoa amin’ireo Kristianina tsy mitovy fiaviana na saranga amiko ve aho?’ (2Ko 6:13)
Iza no tiako hasaina mba...
-
hanompo miaraka amiko?
-
hisakafo any aminay?
-
hanao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana miaraka aminay?