Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Nahoana no Tena Zava-dehibe Ilay hoe Tsy Momba ny Atsy na ny Aroa? (Mi 4:2)

Nahoana no Tena Zava-dehibe Ilay hoe Tsy Momba ny Atsy na ny Aroa? (Mi 4:2)

Asongadina ao amin’ilay fanoharana momba an’ilay Samaritanina tsara fanahy fa tsy manavakavaka i Jehovah. Tiany isika raha ‘manao soa amin’ny rehetra’, anisan’izany ireo tsy mitovy saranga amintsika. Eo koa ireo tsy mitovy fiaviana, na foko, na fivavahana amintsika. —Ga 6:10; As 10:34.

JEREO ILAY VIDEO HOE NAHOANA NO TENA ZAVA-DEHIBE ILAY HOE TSY MOMBA NY ATSY NA NY AROA? (MI 4:2), ARY VALIO IRETO:

  • Nahoana isika no afaka milaza fa ny zava-mitranga eo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny no resahin’ny Mika 4:2?

  • Inona no dikan’ny hoe tsy momba ny atsy na ny aroa, ary nahoana izany no zava-dehibe?

  • Nahoana ny Apokalypsy 13:16, 17 no manasongadina fa te hanimba ny toe-tsaintsika ny mpitondra sady te hanery antsika hanao izay tiany?

Inona ireo zavatra telo mety hahatonga antsika homba ny atsy na ny aroa?