Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | LIOKA 12-13

“Sarobidy Noho ny Fody Maro Ianareo”

“Sarobidy Noho ny Fody Maro Ianareo”

12:6, 7

Manampy antsika hahazo ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Lioka 12:6, 7 ny andinin-teny manodidina. Nilaza tamin’ny mpianany, ohatra, izy eo amin’ny andininy 4 hoe tsy tokony hatahotra izy ireo rehefa misy manenjika, na misy mitady hamono. Nampiomana ny mpianany izy teo, satria hiatrika fanenjehana izy ireo. Nanome toky anefa izy hoe sarobidy amin’i Jehovah ny mpanompony tsirairay, ka tsy misy avelany hanimba ny fifandraisany amin’izy ireo.

Tena miahy an’ireo miatrika fanenjehana i Jehovah. Ahoana no anahafantsika azy?

Aiza no misy ny fanazavana farany momba an’ireo Vavolombelon’i Jehovah migadra noho ny finoany?

Firy izao ny isan’ireo rahalahy sy anabavy any am-ponja?