Inona no Tsy Maintsy Ataontsika mba Hanarahana ny Dian’i Kristy?
Tsy tokony hiherikerika ny olona mitana angadinomby mba hahitsy ny soritra ataony eo amin’ny tanimboliny. Toy izany koa fa tsy tokony hiherikerika na ho variana amin’ireo zavatra efa nafoiny eto amin’ity tontolo ity ny Kristianina.—Fi 3:13.
Mora manembona ny lasa isika rehefa miatrika olana. Izany no nataon’ireo Israelita taorian’ny nialan’izy ireo tany Ejipta. (No 11:5, 6) Mety hieritreritra koa isika hoe nahafinaritra be ny fiainantsika talohan’ny nahitantsika ny fahamarinana sady tsy dia nisy olana saro-bahana. Mety halaim-panahy hiverina amin’ny fomba fiainantsika taloha isika raha zavatra hoatr’izany no masaka ao an-tsaintsika. Tsy aleo ve misaintsaina an’izay fitahiana efa azontsika sy mifantoka amin’ireo zavatra mahafaly hataon’ilay Fanjakana?—2Ko 4:16-18.