NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
“Aza Manahy Mihitsy”
Nanampy ny Israelita mahantra i Jehovah. Ahoana koa no anampiany ny mpanompony mahantra amin’izao?
-
Ampianariny hahay handanjalanja amin’ny resaka vola isika.—Lk 12:15; 1Ti 6:6-8
-
Ampiany isika mba tsy hihevitra ny tenantsika ho ambany.—Jb 34:19
-
Ampianariny hiasa mafy isika ary ampiany mba tsy hanana fahazaran-dratsy.—Oh 14:23; 20:1; 2Ko 7:1
-
Omeny mpiara-manompo be fitiavana isika. —Jn 13:35; 1Jn 3:17, 18
-
Omeny fanantenana isika.—Sl 9:18; Is 65:21-23
Tsy mila manahy be isika na manao ahoana na manao ahoana fahasahiranantsika. (Is 30:15) Tsy maintsy homen’i Jehovah mantsy izay ilaintsika raha ny Fanjakany foana aloha no katsahintsika.—Mt 6:31-33.
JEREO ILAY VIDEO HOE AZA AVELA HO LEVONA MIHITSY NY FITIAVANAO... NA MAHANTRA AZA IANAO: CONGO. VALIO IRETO AVY EO:
-
Ahoana no ataon’ireo rahalahy mipetraka eny akaikin’ny toerana anaovana fivoriamben’ny vondrom-paritra mba hikarakarana an’ireo avy lavitra?
-
Hoatran’ny ahoana ny fitiavan’i Jehovah ny mahantra rehefa jerena iny video iny?
-
Ahoana no azontsika anahafana an’i Jehovah na mahantra isika na manankarena?