Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA | TE HO FALY KOKOA VE IANAO REHEFA MANOMPO?

Miezaha Hanohina ny Fo

Miezaha Hanohina ny Fo

Avy ao am-po ny faniriana hankatò an’i Jehovah. (Oh 3:1) Tsy maintsy miezaka manohina ny fon’ny olona ampianarintsika àry isika. Ahoana no hanaovana an’izany?

Rehefa mampianatra ny fahamarinana ianao, dia ampio ilay mpianatra hahatakatra hoe nahoana izany no mahakasika azy sy ny fifandraisany amin’i Jehovah. Ataovy tsapany hoe be fitiavana sy tsara toetra ary tia rariny i Jehovah rehefa jerena ny fitsipiny ao amin’ny Baiboly. Mametraha fanontaniana mba hahalalana an’izay tsapany momba ny zavatra ianaranareo. Mila mahay mandanjalanja sy tsara fanahy ianao rehefa manontany azy. Ampio izy hisaintsaina ny soa ho azony raha miala amin’ny fahazaran-dratsy na manova ny fomba fisainany. Ho faly kokoa ianao rehefa tia an’i Jehovah amin’ny fony ilay mpianatra.

JEREO ILAY VIDEO HOE MAHAFALY NY MANAO MPIANATRA: HATSARAO NY FAHAIZANAO... MANOHINA NY FO. VALIO IRETO AVY EO:

  • Nahoana i Nita no nanontany an’i Sendra hoe: “Efa nosaintsainin’indrỳ ilay resatsika tamin’ny alatsinainy?”

  • Ahoana no nataon’i Nita mba ho azon’i Sendra hoe tia azy i Jehovah matoa mametraka fitsipika ao amin’ny Baiboly?

  • Te handroso ny olona ampianarintsika raha mahavita manohina ny fony isika

    Tian’i Nita hisaintsaina an’izay azony atao mba hanaporofoana ny fitiavany an’i Jehovah i Sendra. Ahoana no nataony?