NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA | TANJONA HO AN’NY TAOM-PANOMPOANA MANARAKA
Mangataka Hanatrika ny Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana
Tsy voatery hilamina be ny fiainanao izay ianao vao ho afaka hanatratra tanjona hoe hanatrika ny Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana (SMIF). Ny tena zava-dehibe mantsy dia hoe olona araka ny fanahy ve ianao sady vonona hanaiky izay fanendrena omen’ny fandaminan’i Jehovah anao.—Is 6:8.
JEREO ILAY VIDEO HOE MANÀNA FINOANA KA AMPITOMBOY NY FANOMPOANAO: MANGATAHA HANATRIKA NY SEKOLIN’NY MPITORY ILAY FANJAKANA. VALIO IRETO AVY EO:
-
Inona no nampisalasala an’i Gabriel, ary nahoana no nanampy azy ny nisaintsaina ny Filipianina 4:13?