NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Ahoana no Ampiasana ny Hevitra Azo Resahina?
Efa nodinihina tsara ireny soso-kevitra ao amin’ny hevitra azo resahina ireny, ary be dia be ny mpitory nahita hoe mety amin’ny faritaniny izy ireny. Tsy mitovy anefa ny zava-misy eran-tany. Afaka mampiasa foto-kevitra hafa mahaliana ny olona any amin-dry zareo àry ny mpitory rehefa manompo. Tokony harahin’ny mpitory rehetra anefa izay toromarika mifandray amin’ny ezaka manokana. Nandidy antsika i Jesosy hoe tokony hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana isika, ary ny hankatò an’io didy io no tanjontsika.—Mt 24:14.
Tsy maintsy mampiasa ny foto-kevitra ao amin’ilay hevitra azo resahina amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana foana ny mpitory rehefa manao ny anjaran’ny mpianatra. Azony atao ny mampiasa fanontaniana hafa sy andinin-teny hafa ary manova ny hevitra horesahina amin’ny manaraka, mifanaraka amin’ny zava-misy ao amin’ny faritaniny. Tsy maintsy manaraka akaiky an’ilay hevitra azo resahina ao amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fivoriana kosa izy raha izany no toromarika azony. Fanitsiana ny toromarika nomena tao amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fivoriana volana Jona 2020, pejy 8, izao.