HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Fanorenana Natao Tamin’ny Fo
Ny fitaovam-panorenana tsara indrindra no nanaovan’i Solomona ny tempoly (1Mp 5:6, 17; w11 1/2 15)
Maro be no nandray anjara tamin’ilay tetikasa (1Mp 5:13-16; it “Sedera”§ 5; “Tempoly”: “Tempolin’i Solomona” § 4)
Niasa mafy nandritra ny fito taona i Solomona sy ilay vahoaka mba hamitana an’ilay tetikasa (1Mp 6:38; jereo ny sary, pejy 1)
Nahavita nanorina tempoly tsara tarehy nanome voninahitra an’i Jehovah i Solomona sy ny vahoaka, satria niasa tamin’ny fony izy ireo. Nampalahelo anefa fa tsy nafana fo tamin’ny fanompoana an’i Jehovah intsony ny taranaka tatỳ aoriana. Tsy nokarakarain-dry zareo ilay tempoly fa navelany ho simba. Noravana ilay izy tamin’ny farany.
SAINTSAINO IZAO: ‘Inona no hataoko mba hafana fo foana aho manompo an’i Jehovah?’