HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Miantehera Amin’ny Fanampian’i Jehovah
Henon’i Jehovah isika rehefa miantso vonjy aminy (2Sa 22:7)
Mahery kokoa noho izay mety ho fahavalontsika i Jehovah (2Sa 22:14-18; cl 19 § 11)
Tsy mivadika amintsika i Jehovah, dia manao zavatra mba hanampiana antsika (2Sa 22:26; w10 1/6 26 § 4-6)
Vitan’i Jehovah ny manala ny fitsapana mahazo antsika. Tsy manao an’izany anefa izy matetika, fa ampiany hiatrika an’ilay fitsapana isika dia omeny ny fanahiny sy ny Teniny ary ny mpiara-manompo. (Sl 55:22) Inona avy no tokony hataontsika raha te hahazo ny fanampiany isika?