NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Ezaka Manokana Hanombohana Fampianarana Baiboly Amin’ny Septambra
Hiezaka mafy isika amin’ny Septambra hanasa ny olona rehetra itoriantsika mba hianatra Baiboly amin’ilay bokikely hoe Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! Afaka manao mpisava lalana mpanampy ny mpitory amin’io volana io ary hanatratra 30 ora. Ahoana no hatao amin’ilay ezaka manokana?
-
Fitoriana: Ampiasao ny fonon’ilay bokikely mba hahatonga an’ilay olona ho liana, ary asehoy azy ny fomba fianarana amin’ilay izy raha azo atao. Aza hadinoina ny olona liana, anisan’izany ny fiverenana mitsidika. Mety ho tsy nanaiky hianatra izy ireny taloha nefa mety hahaliana azy ilay fomba fianarana vaovao sy ilay bokikely. Tsy tokony hametrahana an’ilay bokikely ny trano tsy nisy olona. Tsy tokony halefa paositra any amin’olona koa ilay izy raha tsy hitanao hoe liana izy. Mety hanao fandaharana ny Komitin’ny Fanompoan’ny Fiangonana hoe hasiana fivoriana alohan’ny fanompoana fanampiny mandritra an’io volana io.
-
Azo atao koa izao: Raha manao fampirantiana ny fiangonanareo, dia mba asio bokikely Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! koa eo. Teneno izay olona liana hoe raha maka amin’ilay bokikely izy ireo dia afaka mianatra Baiboly maimaim-poana koa. Tonga dia asehoy azy ny fomba fianarana, na mifanaova fotoana mba hampisehoana azy an’izany amin’ny manaraka. Mety hanao fandaharana ny mpiandraikitra ny fanompoana hoe hasaina hitory any amin’ny faritany be toeram-piasana ny mpitory za-draharaha, ary hanasa ny olona any hianatra Baiboly. Azo asaina hianatra Baiboly koa ny mpiara-miasa sy ny olona nitoriana tsy ara-potoana.
Nandidy antsika i Jesosy hoe: “Ampianaro ny olona ... mba ho lasa mpanara-dia ahy.” (Mt 28:19, 20) Hampiasa ny bokikely Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! isika amin’ity ezaka manokana ity, mba hamitana an’io iraka io.