Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Fantarinao ve ny Fomba Namalian’i Jehovah ny Vavakao?

Fantarinao ve ny Fomba Namalian’i Jehovah ny Vavakao?

Be dia be mihitsy ny olona tantarain’ny Baiboly hoe nivavaka dia novalian’i Jehovah. Azo antoka fa nanatanjaka ny finoan’ireny mpanompon’i Jehovah ireny ny nahita hoe nohenoin’i Jehovah ny fitarainany ary nampiany izy ireo avy eo. Miezaha àry manao vavaka voafaritra tsara dia avy eo fantaro ny fomba amalian’i Jehovah azy. Tadidio hoe tsy voatery ho izay nangatahintsika no homeny antsika, nefa mety hihoatra lavitra noho izay nangatahintsika koa no hataony. (2Ko 12:7-9; Ef 3:20) Inona no mety homen’i Jehovah mba hamaliana ny fangatahantsika?

  • Herim-batana, fahatoniana, finoana mba hiatrehana olana.​—Fi 4:13

  • Fahendrena mba hahaizana manapa-kevitra.​—Jk 1:5

  • Faniriana sy hery hanaovana zavatra.​—Fi 2:13

  • Fahatoniana rehefa miady saina isika.​—Fi 4:6, 7

  • Fanampiana sy fampaherezana avy amin’olon-kafa.​—1Jn 3:17, 18

  • Fanampiana ho an’ny olona nanaovantsika vavaka.​—As 12:5, 11

JEREO ILAY VIDEO HOE “MPIHAINO VAVAKA” I JEHOVAH, ARY VALIO IRETO:

  • Nahoana no mampahery antsika ny tantaran’ny Rahalahy Shimizu raha marary isika ka tsy mahavita be hoatran’ny taloha intsony?

  • Ahoana no hanahafantsika ny Rahalahy Shimizu?