Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA | TANJONA HO AN’NY TAOM-PANOMPOANA MANARAKA

Manao Mpisava Lalana

Manao Mpisava Lalana

Raha miezaka hanatratra tanjona amin’ny fanompoana isika dia hampiasa tsara ny herintsika. (1Ko 9:26) Tsy ho lanilany foana koa ny fotoanantsika raha manana tanjona isika amin’izao farany efa akaiky izao. (Ef 5:15, 16) Azonareo resahina mandritra ny fotoam-pivavahan’ny fianakaviana hoe inona no tanjona azonareo tratrarina amin’ny taom-panompoana manaraka. Misy lahatsoratra maromaro afaka manampy anareo ato amin’ity tari-dalana ity. Horesahina ato hoe inona avy ny tanjona azonareo eritreretina sy atao antom-bavaka.​—Jk 1:5.

Sao dia afaka mifanampy, ohatra, ianareo mba hisy iray aminareo, fara fahakeliny, afaka manao mpisava lalana maharitra? Mitovitovy amin’ny anao angamba ny zavatra iainan’ny mpisava lalana sasany. Maninona raha miresaka amin’izy ireny raha matahotra ianao sao tsy hahatratra ora? (Oh 15:22) Miantsoa mihitsy mpisava lalana iray mba hohadinadinina mandritra ny fotoam-pivavahan’ny fianakavianareo. Soraty avy eo izay fandaharam-potoana mety ho azonareo arahina. Raha efa mpisava lalana ianao taloha, dia jereo sao dia afaka miverina manao mpisava lalana indray ianao izao.

Afaka manao mpisava lalana mpanampy mandritra ny iray volana na volana maromaro ve ny iray aminareo? Raha tsy tena matanjaka ianao, dia mety ho afaka hanao mpisava lalana mpanampy ihany raha manompo kely isan’andro. Tsy afaka manompo be koa angamba ianao amin’ny andavanandro, satria mety mbola mianatra na miasa tontolo andro. Jereo hoe volana inona no misy andro tsy iasana na tsy ianarana, na misy faran’ny herinandro dimy. Mariho eo amin’ny kalandrie hoe rahoviana ianareo no te hanao mpisava lalana mpanampy, dia soraty ny fandaharam-potoananareo.​—Oh 21:5.

JEREO ILAY VIDEO HOE MIEZAHA HO BE HERIM-PO: RY MPISAVA LALANA, ARY VALIO ITY:

  • Ahoana no ahitantsika avy amin’ny tantaran’ny Ranabavy Aamand hoe tia sy mikarakara an’izay mahafoy tena ho azy i Jehovah?