Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Afaka Manao Izay Hahafaly ny Fianakavianao koa Ianao

Afaka Manao Izay Hahafaly ny Fianakavianao koa Ianao

Tian’i Jehovah ho sambatra ny fianakaviana. (Sl 127:3-5; Mpto 9:9; 11:9) Mety tsy ho faly intsony anefa isika rehefa miady saina na manao diso ny fianakaviantsika. Inona ny anjara biriky azon’ny tsirairay entina mba hahasambatra ny fianakaviany?

Tokony hanome voninahitra ny vadiny ny lehilahy manambady. (1Pe 3:7) Manokana fotoana ho azy izy. Tsy mitaky be loatra aminy koa izy ary asehony amin’ny vadiny hoe mankasitraka an’izay ataony ho azy sy ny fianakaviany izy. (Kl 3:15) Midera azy izy sady lazainy aminy hoe tiany izy.​—Oh 31:28, 31.

Tokony hitady fomba anohanana ny vadiny ny vehivavy manambady. (Oh 31:12) Manaiky ny vadiny izy ary miara-miasa aminy. (Kl 3:18) Miresaka zavatra tsara momba ny vadiny koa izy sady tsara fanahy rehefa miresaka aminy.​—Oh 31:26.

Tokony hanokana fotoana ho an’ny zanany ny ray aman-dreny. (De 6:6, 7) Lazainy amin’ny zanany hoe tiany ry zareo. (Mt 3:17) Asehon’ny ray aman-dreny koa hoe be fitiavana sy mahay manavaka izy rehefa mananatra ny zanany.​—Ef 6:4.

Tokony hanaja sy hanome voninahitra an’i Dada sy Neny ny ankizy. (Oh 23:22) Tsy manafina an’izay any am-pony sy any an-tsainy amin’ny ray aman-dreniny ny ankizy. Manaja ny ray aman-dreniny koa ry zareo ary manaiky rehefa ahitsy.​—Oh 19:20.

JEREO ILAY VIDEO HOE ATAOVY IZAY HAHAFALY NY FIANAKAVIANAO, ARY VALIO ITY:

• Inona no nataon’ny tsirairay tamin-dry zareo mba hahasambatra ny fianakaviany?