Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Ezaka Manokana Ampahafantarana ny Fanjakan’Andriamanitra Amin’ny Septambra

Ezaka Manokana Ampahafantarana ny Fanjakan’Andriamanitra Amin’ny Septambra

Hanao ezaka manokana isika amin’ny Septambra mba hampahafantarana ny olona hoe ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no vahaolana amin’ny olana rehetra mahazo ny olombelona. (Mt 24:14) Inona no azonao atao? Mamakia andinin-teny miresaka momba ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny olona betsaka araka izay azo atao mandritra an’io volana io. Raha liana ilay olona dia omeo azy Ny Tilikambo Fiambenana No. 2 2020. Tsidiho haingana izy avy eo, dia miezaha hanomboka fampianarana Baiboly amin’ilay bokikely hoe Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! Afaka mifidy ny hanatratra 15 na 30 ora izay manao mpisava lalana mpanampy mandritra ny volana Septambra.

Tsy ho ela ny Fanjakan’Andriamanitra dia handrava ny fitondram-panjakana rehetra manohitra azy. (Da 2:44; 1Ko 15:24, 25) Enga anie àry isika hanararaotra an’io ezaka manokana io mba hampisehoana hoe manohana an’i Jehovah sy ny Fanjakany.