Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Inona avy no Tanjonao Amin’ny Taom-panompoana Vaovao?

Inona avy no Tanjonao Amin’ny Taom-panompoana Vaovao?

Tafiditra amin’ny hoe tanjona ara-panahy ny zavatra rehetra ezahintsika atao mba hanompoana an’i Jehovah bebe kokoa sy hampifaliana azy. Manampy antsika hihamatotra ireny tanjona ireny, ka tokony hahafoy fotoana sy hery hanatratrarana azy ireny isika. (1Ti 4:15) Maninona isika no tokony handinika tsy tapaka ny tanjontsika? Satria miovaova ny zavatra iainantsika. Mety hoe tsy mifanaraka amin’ny fiainantsika amin’izao intsony ny tanjona napetratsika taloha, na mety hoe efa tratrantsika ilay izy dia mila manatratra tanjona hafa indray isika.

Alohan’ny hanombohan’ny taom-panompoana no tsara handinihana ny tanjona. Maninona raha resahina mandritra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana izany, dia mametraka tanjona vitsivitsy hotratrarin’ny tsirairay sy hotratrarin’ny fianakaviana?

Inona no tanjona voafaritra tsara tianao hapetraka mifandray amin’ireto lisitra eto ambany ireto? Ary inona no eritreretinao hatao mba hanatratrarana an’izany?

Famakiana Baiboly, fianarana samirery, fivoriana, manome valin-teny.​—w02 15/6 14-15 § 14-15

Fanompoana.​—w23.05 27 § 4-5

Toetra kristianina.​—w22.04 23 § 5-6

Hafa: