Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Miezaha ho Be Fitiavana sy Tsy Mivadika toa An’i Jehovah

Miezaha ho Be Fitiavana sy Tsy Mivadika toa An’i Jehovah

I Jehovah no modely tsara indrindra amin’ny fanehoana fitiavana sy tsy fivadihana. (Sl 103:11) Tena lalina sy maharitra io fitiavana io, fa tsy hoe mandalo fotsiny. Maro be ny fomba nampisehoan’i Jehovah azy io tamin’ny Israely vahoakany. Nafahany tamin’ny fanandevozana tany Ejipta ry zareo, dia nentiny tao amin’ny Tany Nampanantenaina. (Sl 105:42-44) Niady ho an’ny vahoakany koa izy ary na dia imbetsaka aza izy ireo no nanota taminy dia namela azy ireo foana izy. (Sl 107:19, 20) Rehefa ‘misaintsaina lalina ny fitiavana sy ny tsy fivadihana nasehon’i Jehovah’ isika, dia lasa te hanahaka azy.​—Sl 107:43.

JEREO ILAY VIDEO HOE SAINTSAINO NY “FITIAVANA NASEHON’I JEHOVAH”, ARY VALIO IRETO:

  • Inona avy no azontsika atao mba hampisehoana hoe be fitiavana sy tsy mivadika isika?

  • Nahoana isika no mila mahafoy zavatra raha te hampiseho fitiavana sy tsy fivadihana?