Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kokkinakis miady amin’i Gresy: Droit réservé

Avy eny ambony dia mihodina miankavanana: Filan-kevitry ny Fampianarana any Virginie Andrefana miady amin’i Barnette; Kokkinakis miady amin’i Gresy; LRO any Taganrog sy ny Hafa miady amin’i Rosia; Cha sy ny Hafa miady amin’i Korea Atsimo

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

‘Narovana ny Vaovao Tsara’ ary Natao Izay ‘Hahazoana Zo Ara-dalàna Hitory An’izany’

‘Narovana ny Vaovao Tsara’ ary Natao Izay ‘Hahazoana Zo Ara-dalàna Hitory An’izany’

Rehefa nitady hisakana ny fanorenana ny tempoly ny mpanohitra, dia niezaka ny Israelita mba hahazo zo ara-dalàna hanohy ny asa. (Ezr 5:11-16) Miaro ny vaovao tsara koa ny Kristianina dia miezaka hahazo zo ara-dalàna hitory an’izany. (Fi 1:7) Naorina tany amin’ny foibe àry ny Sampan-draharaha Momba ny Lalàna tamin’ny 1936. Io sampan-draharaha io no mandamina hoe ahoana no iarovana ny asan’ilay Fanjakana maneran-tany amin’izao. Amin’ny fomba ahoana ary nahoana izany no mahasoa ny vahoakan’i Jehovah?

JEREO ILAY VIDEO HOE NY ASAN’NY SAMPAN-DRAHARAHA MOMBA NY LALÀNA ANY AMIN’NY FOIBE. VALIO IRETO AVY EO:

  • Inona avy no mety hahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah hanana olana amin’ny manam-pahefana?

  • Inona avy ny fandresena efa azontsika teny amin’ny fitsarana? Resaho ny iray amin’izany

  • Inona no azonao atao mba ‘hiarovana ny vaovao tsara’ sy ‘hahazoantsika zo ara-dalàna hitory’?

  • Aiza ho aiza ao amin’ny tranonkalantsika no ahitana ny vaovao ara-pitsarana mahakasika ny vahoakan’Andriamanitra sy ny lisitry ny Vavolombelon’i Jehovah migadra noho ny finoany?