Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

19-25 Aogositra

SALAMO 75-77

19-25 Aogositra

Hira 120 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. Nahoana no Ratsy ny Mirehareha?

(10 min.)

Tsy mampifaly an’Andriamanitra ny olona mirehareha (Sl 75:4; 1Ti 3:6; w18.01 28 § 4-5)

Avy amin’i Jehovah izay andraikitra na fanendrena azontsika eo anivon’ny fiangonana, fa tsy hoe noho ny fahaizantsika (Sl 75:5-7; w06 15/7 11 § 3)

Hataon’i Jehovah tsinontsinona ny olona mirehareha, anisan’izany ny mpitondra manambony tena (Sl 76:12)

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Sl 76:10: Nahoana no mitondra dera ho an’i Jehovah ny “fahatezeran’ny olona”? (w06 15/7 11 § 4)

    Valin-teninao
  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

    Valin-teninao

3. Famakiana Baiboly

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(3 min.) TSY ARA-POTOANA. Mampisehoa video iray ao amin’ny jw.org, amin’ny fiteny tian’ilay olona (aza alefa), dia iaraho midinika avy eo. (lmd lesona 1, hevitra 4)

5. Miresadresaha Aloha

(4 min.) ISAN-TRANO. Raha milaza aminao ilay olona hoe tsy mino an’Andriamanitra izy, dia ovao mifanaraka amin’izany ny zavatra resahinao. (lmd lesona 2, hevitra 5)

6. Rehefa Mampianatra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 127

7. Miezaha mba Tsy Hivadika Rehefa Misy Midera Anao

(7 min.) Fiaraha-midinika.

Alefaso ilay VIDEO hoe Miezaha mba Tsy Hivadika toa An’i Jesosy: Rehefa Misy Midera Anao. Iaraho midinika ity fanontaniana ity avy eo:

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’i Sergei rehefa nisy nidera azy?

    Valin-teninao

8. Ezaka Manokana Hanombohana Fampianarana Baiboly Amin’ny Bokikely na Boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!, Amin’ny Septambra

(8 min.) Lahateny ataon’ny mpiandraikitra ny fanompoana. Ampirisiho mba hazoto handray anjara amin’ilay ezaka manokana ny mpitory, ary resaho ny fandaharan’ny fiangonana.

9. Fianarana Baiboly

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 89 sy Vavaka