Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

26 Aogositra–1 Septambra

SALAMO 78

26 Aogositra–1 Septambra

Hira 97 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. Nivadika Tamin’i Jehovah ny Israelita ka Lasa Anatra ho Antsika

(10 min.)

Hadinon’ny Israelita ny zavatra mahatalanjona nataon’i Jehovah ho azy ireo (Sl 78:11, 42; w96 1/12 29-30)

Tsy nahay nankasitraka ny zavatra tsara rehetra nataon’i Jehovah ny Israelita (Sl 78:19; w06 15/7 17 § 16)

Tsy nandray lesona avy tamin’ny fahadisoana nataony ny Israelita fa mbola nikomy tamin’i Jehovah foana (Sl 78:40, 41, 56, 57; w11 1/7 10 § 3-4)


SAINTSAINO IZAO: Inona no hanampy antsika tsy hivadika amin’i Jehovah?

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Sl 78:24, 25: Nahoana ny mana no antsoina hoe “sakafo avy any an-danitra” sy “mofon’ireo mahery”? (w06 15/7 11 § 5)

    Valin-teninao
  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

    Valin-teninao

3. Famakiana Baiboly

(4 min.) Sl 78:1-22 (th lesona 5)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(3 min.) ISAN-TRANO. Asao hianatra Baiboly ilay olona. (lmd lesona 5, hevitra 5)

5. Miresadresaha Aloha

(3 min.) ISAN-TRANO. Mampiasà taratasy mivalona mba hanombohana resadresaka, dia asao hianatra Baiboly ilay olona. (lmd lesona 5, hevitra 4)

6. Miresadresaha Aloha

(1 min.) ISAN-TRANO. Miteny aminao ilay olona hoe mba hatao fohy ny resaka. Asao hianatra Baiboly izy. (lmd lesona 2, hevitra 5)

7. Miresadresaha Aloha

(4 min.) TSY ARA-POTOANA. Aza mampiasa Baiboly aloha, fa miresaha hevitra mahatonga an’ilay olona hahafantatra hoe Vavolombelon’i Jehovah ianao. Asao hianatra Baiboly izy. (lmd lesona 2, hevitra 4)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 96

8. Mianara avy Amin’i Filipo Mpitory ny Vaovao Tsara

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Misy ohatra tsara sy ratsy be dia be ao amin’ny Baiboly. Mitaky fotoana sy ezaka ny mianatra avy amin’ny nataon’izy ireo. Tsy ampy ny hoe mamaky fotsiny ny fitantaran’ny Baiboly momba azy ireo, fa ilaina koa ny misaintsaina momba ny lesona ianarantsika avy aminy, ary avy eo manitsy ny fitondran-tenantsika.

Kristianina nalaza ho “feno fanahy masina” sy “manam-pahendrena” i Filipo mpitory ny vaovao tsara. (As 6:3, 5) Inona avy ny lesona azontsika ianarana avy aminy?

Alefaso ilay VIDEO hoe Mianara Amin’izy Ireo: Filipo, Ilay Mpitory ny Vaovao Tsara. Anontanio ny mpanatrika avy eo hoe inona avy no ianaran’izy ireo avy amin’ireto:

  • Ny zavatra nataon’i Filipo rehefa niova tampoka ny fiainany.​—As 8:1, 4, 5

    Valin-teninao
  • Ny fitahiana azon’i Filipo rehefa nanaiky hifindra tany amin’ny toerana nilana mpitory bebe kokoa izy. ​—As 8:6-8, 26-31, 34-40

    Valin-teninao
  • Ny soa noraisin’i Filipo sy ny fianakaviany noho izy ireo nazoto nandray vahiny.​—As 21:8-10

    Valin-teninao
  • Ny fifaliana tsapan’ilay fianakaviana tao amin’ilay video rehefa nanaraka ny modelin’i Filipo izy ireo

    Valin-teninao

9. Fianarana Baiboly

(30 min.) rr toko 14 § 1-7, video fampidirana

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 24 sy Vavaka