Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

5-11 Aogositra

SALAMO 70-72

5-11 Aogositra

Hira 59 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. ‘Lazao Amin’ny Taranaka any Aoriana’ ny Herin’Andriamanitra

(10 min.)

Nahatsapa ny fiarovan’i Jehovah i Davida tamin’izy mbola tanora (Sl 71:5; w99 1/9 18 § 17)

Tsapan’i Davida hoe na dia efa antitra aza izy dia mbola nanohana azy foana i Jehovah (Sl 71:9; g04 8/10 23 § 3)

Nampahery ny tanora i Davida rehefa nitantara tamin’izy ireo ny zavatra niainany (Sl 71:17, 18; w14 15/1 23 § 4-5)

SAINTSAINO IZAO: ‘Iza ao amin’ny fiangonanay no efa ela nanompoana an’i Jehovah ka mba tiako hohadinadinina mandritra ny fotoam-pivavahanay?’

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • Sl 72:8: Tanteraka tamin’ny andron’i Solomona Mpanjaka ilay fampanantenan’i Jehovah tamin’i Abrahama ao amin’ny Genesisy 15:18. Tamin’ny fomba ahoana? (it-1 464)

    Valin-teninao
  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

    Valin-teninao

3. Famakiana Baiboly

(4 min.) Sl 71:1-24 (th lesona 5)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(3 min.) ISAN-TRANO. Farano ny resaka raha mitady hiady hevitra ilay olona, nefa miezaha ho tsara fanahy. (lmd lesona 4, hevitra 5)

5. Rehefa Miverina Mitsidika

(4 min.) TSY ARA-POTOANA. Tohizo ny resaka nifanaovanao tamin’ny havanao anankiray. Nilaza taminao izy tamin’izay hoe misalasala hianatra Baiboly. (lmd lesona 8, hevitra 4)

6. Hazavao ny Zavatra Inoanao

(5 min.) Lahateny. ijwfq 49: Foto-kevitra: Nahoana no Nisy Niova ny Zavatra Inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah? (th lesona 17)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 76

7. Zavatra Azo Atao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Zava-dehibe ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana satria io no fotoana ahafahan’ny ankizy mandray ny “anatra omen’i Jehovah sy izay atorony.” (Ef 6:4) Mitaky ezaka ny mianatra nefa mety hahafinaritra ilay izy, indrindra raha efa mihatian’ny ankizy ny mianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. (Jn 6:27; 1Pe 2:2) Fintino izay voalazan’ny efajoro hoe “ Zavatra Azo Atao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana.” Misy soso-kevitra manampy ny ray aman-dreny ao amin’izy io mba hahatonga ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana hahafinaritra sy hianaran-javatra. Iaraho midinika ireto fanontaniana ireto avy eo:

  • Iza amin’ireo soso-kevitra ireo no tianareo hampiharina?

    Valin-teninao
  • Inona koa ny zavatra hafa ankoatra an’ireo hitanareo hoe mahasoa?

    Valin-teninao

Alefaso ilay VIDEO hoe Ezaho Hatsaraina Foana ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakavianareo. Iaraho midinika ity fanontaniana ity avy eo:

  • Inona no azon’ny lehilahy manambady atao mba hahafinaritra ny vadiny ny fotoam-pivavahan’izy ireo, na dia tsy misy ankizy aza?

    Valin-teninao

8. Fianarana Baiboly

(30 min.) rr toko 13 § 1-6, video fampidirana

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 128 sy Vavaka