Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | SALAMO 45-51

Tsy Hataon’i Jehovah Tsinontsinona ny Fo Torotoro

Tsy Hataon’i Jehovah Tsinontsinona ny Fo Torotoro

Nanoratra ny Salamo 51 i Davida rehefa avy nanarin’i Natana mpaminany, noho izy nijangajanga tamin’i Batseba. Nenjehin’ny eritreriny i Davida, ka nanetry tena sy nitsotra hoe diso.—2Sa 12:1-14.

Nanota i Davida nefa mbola afaka nihavana tamin’i Jehovah indray

51:3, 4, 8-12, 17

  • Niady saina be i Davida tamin’izy mbola tsy nibebaka satria nenjehin’ny eritreriny

  • Nijaly be izy rehefa nieritreritra hoe tsy ankasitrahan’i Jehovah, ka hoatran’ny hoe nopotipotehina mihitsy ny taolany

  • Tena tiany raha mba avelan’i Jehovah ny fahotany, ka hihavana aminy indray izy, ary ho falifaly hoatran’ny taloha

  • Nanetry tena izy ka niangavy mafy an’i Jehovah mba hampiany ho tia mankatò

  • Natoky izy fa hamela azy i Jehovah