NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Hatsarao ny Fanompoanao: Ampiasao Ireo Video Rehefa Mampianatra
NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA?
Manohina ny fon’ny olona ny video, satria sady mijery izy no mihaino. Tena mahaliana ny olona izy ireny sady mora tadidy. Modely ho antsika i Jehovah, satria matetika izy no mampiasa zavatra hita maso rehefa mampianatra.—As 10:9-16; Ap 1:1.
Tsara, ohatra, ny mampiasa an’ilay video hoe Manana Anarana ve Andriamanitra? sy Avy Amin’iza ny Baiboly? ary Tena Marina ve Izay Lazain’ny Baiboly?, rehefa mianatra ny bokikely Vaovao Tsara, lesona 2 sy 3. Mampirisika ny olona hianatra Baiboly ireo video hoe Nahoana Ianao no Tokony Hianatra Baiboly? sy Ahoana no Atao Rehefa Mianatra Baiboly? Mampirisika azy hivory kosa ilay hoe Inona no Atao any Amin’ny Efitrano Fanjakana? Azo atao koa ny mampiseho filma na video lava kokoa, rehefa mampianatra.—km 5/13 3.
AHOANA NO HANAOVANA AZY?
-
Alaivo aloha ilay video tianao haseho
-
Manomàna fanontaniana iray na roa hovaliana ao amin’ilay video
-
Asehoy an’ilay olona ilay video
-
Iaraho midinika ny hevi-dehibe
ANDRAMO IZAO:
-
Raha manana fitaovana elektronika ilay olona itorianao, dia asehoy ny kaody QR any amin’ny faran’ny taratasy mivalona. Hazavao fa azo ampiasaina izy io mba hijerena an’ilay video hoe Nahoana Ianao no Tokony Hianatra Baiboly?
-
Asehoy ilay video hoe Tena Marina ve Izay Lazain’ny Baiboly? ary atolory ny bokikely Vaovao Tsara, ka resaho ny lesona 3