Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Ry Ray Aman-dreny, Ampio ny Zanakareo mba Handroso sy ho Matotra

Ry Ray Aman-dreny, Ampio ny Zanakareo mba Handroso sy ho Matotra

Tian’ny ray aman-dreny raha mba lasa mpanompon’i Jehovah tsy mivadika ny zanany. Inona àry no azony atao? Mila resahiny matetika amin’ny zanany ny fampianaran’ny Baiboly, dieny mbola kely izy ireo. (De 6:7; Oh 22:6) Mitaky ezaka be izany, nefa tena andraisan-tsoa.—3Jn 4.

Modely ho an’ny ray aman-dreny i Josefa sy Maria. Tian’izy ireo hifandray tsara tamin’i Jehovah ny ankohonany, ka ‘nankany Jerosalema’ foana izy ireo isan-taona, rehefa “fetin’ny Paska.” (Lk 2:41) Tsy mora anefa ny nanao an’io dia io sady nandany vola. Tokony hanome ohatra tsara ho an’ny zanany koa ny ray aman-dreny, sady hampianatra azy ireo isaky ny misy hirika hanaovana an’izany. Hanampy azy ireo handroso sy ho matotra ara-panahy izany. —Sl 127:3-5.

JEREO ILAY VIDEO HOE AZA LAVINA MIHITSY IZAY TOMBONTSOAM-PANOMPOANA TONGA EO!, ARY VALIO IRETO:

  • Inona no porofo fa tsy nataon’i Jon sy Sharon ambanin-javatra mihitsy ny fanompoana an’i Jehovah, tamin’izy ireo nitaiza ny zanany?

  • Nahoana no tsy tokony hitovy ny fomba ampianarana na anitsiana ny ankizy?

  • Inona no azon’ny ray aman-dreny atao, mba tsy hivadika mihitsy ny zanany na misy fitsapana aza?

  • Inona amin’ireo fitaovana navoakan’ny fandaminana no efa nampiasainao, mba hanampiana ny zanakao ho lasa naman’i Jehovah?

Ampio hanao loha laharana ny fanompoana ny fianakavianao