NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Araho Akaiky ny Dian’i Kristy
Nasehon’i Jesosy izay tokony hataontsika, indrindra rehefa miatrika fitsapana na fanenjehana. (1Pe 2:21-23) Tsy namaly faty mihitsy izy rehefa nisy nanevateva, ary na dia rehefa nijalijaly aza. (Mr 15:29-32) Inona no nanampy azy hiaritra? Tapa-kevitra ny hanao ny sitrapon’i Jehovah izy. (Jn 6:38) Nifantoka tamin’ilay “fifaliana natao teo anoloany” koa izy.—He 12:2.
Ahoana no ataontsika rehefa misy mampijaly antsika noho ny finoantsika? Tsy “mamaly ratsy ny ratsy” isika, satria tena Kristianina. (Ro 12:14, 17) Ho faly isika raha miaritra fijaliana hoatran’i Kristy, satria hankasitraka antsika Andriamanitra.—Mt 5:10-12; 1Pe 4:12-14.
JEREO ILAY VIDEO HOE NY ANARAN’I JEHOVAH NO ZAVA-DEHIBE INDRINDRA, ARY VALIO IRETO:
-
Inona no nampiseho hoe nahay nampiasa ny fotoanany ny Ranabavy Gertrud Pötzinger * tamin’izy natokan-toerana?
-
Inona no fijaliana niaretan’izy sy ny vadiny tany amin’ireo toby fitanana samihafa?
-
Inona no nanampy azy ireo hiaritra?
^ feh. 6 Na koa hoe Poetzinger.