Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Ahoana no Hanatsarana ny Fianarana Samirery Ataonao?

Ahoana no Hanatsarana ny Fianarana Samirery Ataonao?

NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA? Ampirisihina isika mba ‘hahatakatra tsara ny sakany sy halavany sy haavony ary halalin’ny’ fahamarinana. Manampy antsika amin’izany ny fianarana samirery. (Ef 3:18) Manampy antsika tsy hanan-tsiny koa izy io, na dia manao ratsy aza ny olona manodidina antsika. Hahavita ‘hitana mafy ny tenin’ny fiainana’ isika raha mianatra samirery. (Fi 2:15, 16) Afaka mifidy an’izay tiantsika hianarana koa isika, arakaraka izay ilaintsika. Inona no azontsika atao mba tena hisy vokany amintsika ny zavatra vakintsika sy ianarantsika ao amin’ny Baiboly?

AHOANA NO HANAOVANA AZY?

  • Mila manana Baiboly atokana ho an’ny fianarana samirery ianao. Mety ho vita pirinty izany na amin’ny endrika elektronika. Azonao lokoana na tsipihina ny andinin-teny ao amin’izy io. Soraty ao amin’ilay Baiboly koa ny fanamarihanao

  • Eritrereto ireto fanontaniana ireto rehefa mamaky Baiboly ianao: Iza? Inona? Nahoana? Taiza? Ahoana? Oviana?

  • Manaova fikarohana, ary ataovy arakaraka ny foto-kevitra na andinin-teny ilay izy. Ampiasao ireo fitaovana fikarohana misy amin’ny fiteninao

  • Saintsaino izay vakinao mba hahitanao hoe nahoana ilay izy no mahakasika anao

  • Ampiharo izay ianaranao.—Lk 6:47, 48

ALEFASO ILAY VIDEO HOE ‘TANO MAFY NY TENIN’NY FIAINANA’, KA MANAOVA FIANARANA SAMIRERY. VALIO IRETO AVY EO:

  • Nahoana no ilaina ny mianatra samirery?

  • Nahoana isika no tokony hivavaka isaky ny hianatra samirery?

  • Inona no tokony hataontsika raha tiantsika ho azo tsara ny andinin-teny vakintsika?

  • Inona no azontsika atao mba hanavahana ny hevitra tsirairay?

  • Nahoana no tena ilaina ny misaintsaina rehefa mianatra ny Tenin’Andriamanitra?

  • Tokony hataontsika ahoana ny zavatra nianarantsika?

“Tiako erỳ ny lalànao, ka saintsainiko foana!”—Sl 119:97