Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Fidio Tsara ny Fialam-boly Ataonao

Fidio Tsara ny Fialam-boly Ataonao

Nahoana isika no tokony hanao an’izany? Arakaraka izay fialam-boly fidintsika ny zavatra mameno ny saintsika. Anisan’izany ny zavatra jerentsika amin’ny filma, henointsika amin’ny hira, vakintsika amin’ny boky, hitantsika amin’ny Internet na amin’ny lalao video. Misy vokany amin’ny fitondran-tenantsika ny fialam-boly fidintsika. Feno zavatra tsy tian’i Jehovah anefa ny ankamaroan’ny fialam-boly misy amin’izao. (Sl 11:5; Ga 5:19-21) Inona àry no tokony hataontsika? Zavatra manome voninahitra an’i Jehovah foana no tokony havelantsika hameno ny saintsika.—Fi 4:8.

ALEFASO ILAY VIDEO HOE MAMPIFALY AN’I JEHOVAH VE NY FIALAM-BOLY FIDIKO?, ARY VALIO IRETO:

  • Inona no mampitovy ny ady nataon’ny gladiatera tany Roma taloha sy ny fialam-boly sasany amin’izao?

  • Inona no azon’ireo anisan’ny fiangonana atao, mba hanampiana ny tanora hahay hifidy fialam-boly?

  • Nahoana no manampy antsika hahay hifidy fialam-boly ny Romanina 12:9?

  • Inona avy ny fialam-boly tsara azonao atao?