Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | GALATIANINA 4-6

“Sary An’ohatra” Misy Dikany ho Antsika

“Sary An’ohatra” Misy Dikany ho Antsika

4:24-31

Nampiasa an’io “sary an’ohatra” io ny apostoly Paoly, mba hampisehoana fa tsara lavitra ny fifanekena vaovao raha oharina amin’ny fifaneken’ny Lalàna. Rehefa hitondra mantsy i Kristy sy ireo hiara-manjaka aminy, dia ho afaka amin’ny ota sy ny fahafatesana ny olombelona rehetra, tsy halahelo intsony, ary ho lasa lavorary.—Is 25:8, 9.

 

HAGARA, ANDEVO

Ny firenen’Israely teo ambanin’ny Lalàna, ary Jerosalema no renivohitra

SARAHA, VEHIVAVY AFAKA

Ilay Jerosalema any ambony, izany hoe ny ampahany any an-danitra amin’ny fandaminan’Andriamanitra

ZANAK’I HAGARA

Ny firenena jiosy, izay nivoady fa hankatò ny Lalàn’i Mosesy. Nanenjika sy nanda an’i Jesosy izy ireo tatỳ aoriana

ZANAK’I SARAHA

Kristy sy ireo 144 000 voahosotry ny fanahy

FIFANEKEN’NY LALÀNA

Nampahatsiahy an’ireo Israelita ny Lalàna fa andevon’ny ota izy ireo

FIFANEKENA VAOVAO

Ho afaka amin’ny fanandevozan’ny ota izay mino fa sarobidy ny soron’i Kristy