Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JOBA 1-5

Tsy Nivadika i Joba na Niaritra ny Mafy Aza

Tsy Nivadika i Joba na Niaritra ny Mafy Aza

Nipetraka tany Oza i Joba. Andevo tany Ejipta ny Israelita tamin’izany. Tsy Israelita i Joba, nefa nanompo an’i Jehovah. Maro anaka izy sady nanan-karena be. Tena nanaja azy koa ny olona tao an-tanànany. Nahay nanoro hevitra izy sady tsy mba niangatra rehefa nitsara olona. Nalala-tanana tamin’ny mahantra koa i Joba. Tsara fanahy be izy sady tsy nivadika tamin’i Jehovah.

Noporofoin’i Joba fa tena tiany i Jehovah

1:8-11, 22; 2:2-5

  • Hitan’i Satana hoe nankatò an’i Jehovah foana i Joba, ary tsy nanda an’izany mihitsy izy. Ny antony nankatoavan’i Joba an’i Jehovah kosa no nolazainy fa ratsy

  • Nilaza i Satana fa mody manompo an’i Jehovah fotsiny i Joba, amin’izay mahazo zavatra be dia be avy amin’i Jehovah

  • Navelan’i Jehovah hampijaly azy i Satana, dia ho hita eo raha marina izany na tsia. Nataon’i Satana nikorontana ambony ambany àry ny fiainan’i Joba

  • Tsy nivadika i Joba. Ny olona rehetra mihitsy anefa no nolazain’i Satana fa hivadika rehefa misy fitsapana mafy

  • Tsy nanota mihitsy i Joba sady tsy nanome tsiny an’Andriamanitra