Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JOBA 6-10

Nitaraina i Joba Satria Mafy ny Nahazo Azy

Nitaraina i Joba Satria Mafy ny Nahazo Azy

Fongana tanteraka ny fananan’i Joba, maty daholo ny zanany, ary narary mafy izy. Tsy nivadika mihitsy anefa izy. Nitady hevitra hanakiviana azy àry i Satana, amin’izay izy mivadika amin’i Jehovah. Tonga avy eo ireo namana sandoka telo lahy. Nasehony tamin’i Joba aloha hoe nalahelo be ry zareo. Nipetraka teo fotsiny izy ireo avy eo, nandritra ny herinandro be izao, nefa tsy niteny tsy nivolana. Nifandimby nanao kabary lava be nanakiana an’i Joba izy ireo taorian’izay.

Tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy i Joba, na dia nijaly be aza

6:3; 7:16; 9:20-22; 10:1, 12

  • Mafy loatra ny nahazo azy ka lasa tsy nandinika tsara intsony izy. Lasa nieritreritra izy hoe tsy miraharaha azy Andriamanitra na dia tsy mivadika aza izy

  • Kivy be loatra izy ka tsy nandinika hoe mety hisy antony hafa nahatonga azy hijaly

  • Efa nalahelo be mihitsy izy nefa mbola niteny tamin’ireo olona nanakiana azy ihany hoe tia an’i Jehovah