Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Afaka ny ho Velona Indray ny Maty Noho ny Vidim-panavotana

Afaka ny ho Velona Indray ny Maty Noho ny Vidim-panavotana

Be dia be ny fitahiana ho azontsika amin’ny hoavy, noho ny vidim-panavotana. Rehefa vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana no tena afaka misaintsaina an’izany isika. Anisan’ireny fitahiana ireny ny fitsanganan’ny maty. Tsy nataon’i Jehovah ho faty mihitsy ny olona. Anisan’ny fahoriana mafy indrindra amintsika àry izany hoe maty havana na namana izany. (1Ko 15:26) Narary erỳ ny fon’i Jesosy nahita ny mpianany nisaona rehefa maty i Lazarosy. (Jn 11:33-35) Tena mitovy toetra amin’i Jehovah i Jesosy, ka azo antoka fa malahelo be antsika koa i Jehovah rehefa maty ny havantsika. (Jn 14:7) Efa tsy andriny erỳ ny hananganana ny mpanompony, ary efa tsy andrintsika koa izany.—Jb 14:14, 15.

Andriamanitry ny filaminana i Jehovah ka azo antoka fa hilamina tsara ny fitsanganan’ny maty. (1Ko 14:33, 40) Tsy hiaraka handevina intsony isika amin’izay, fa angamba hiaraka hitsena an’ireo hatsangana amin’ny maty. Misaintsaina an’izany ve ianao, indrindra raha maty ny olona akaiky anao? (2Ko 4:17, 18) Misaotra an’i Jehovah ve ianao noho izy nanome ny vidim-panavotana? Misaotra azy koa ve ianao satria nampahafantariny ao amin’ny Soratra Masina hoe mbola ho velona indray ny maty?—Kl 3:15.

  • Iza amin’ny namanao na havanao no tena mba tianao ho hita indray?

  • Ary iza amin’ny olona tantarain’ny Baiboly no mba tena tianao hiresahana?