Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JOBA 11-15

Natoky i Joba fa Hatsangana ny Maty

Natoky i Joba fa Hatsangana ny Maty

Tena nino i Joba fa mahay manangana ny maty Andriamanitra

14:7-9, 13-15

  • Nohazavain’i Joba fa tena hain’i Jehovah ny manangana ny maty. Hazo no nataony fanoharana mba hanazavana an’izany, angamba hazo oliva

  • Misandrahaka be ny fakan’ny hazo oliva, ka na tapahina aza ilay hazo dia mbola afaka maniry foana ilay izy raha mbola ao ny fakany

  • Na dia efa mainan’ny hain-tany aza ny hazo oliva, dia lasa misy tsimoka kely indray avy amin’ny fakany rehefa avy ny orana, ka ‘mamoaka rantsana toy ny zavamaniry vao mitsiry’