Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ESTERA 6-10

Vonona Hiaro ny Vahoakan’i Jehovah i Estera fa Tsy Tia Tena

Vonona Hiaro ny Vahoakan’i Jehovah i Estera fa Tsy Tia Tena

Sahy niaro ny vahoakan’i Jehovah i Estera, fa tsy nieritreritra ny tenany fotsiny

8:3-5, 9

  • Tsy natahorana ho faty intsony i Estera sy Mordekay. Ny Jiosy hafa rehetra anefa mbola nitebiteby satria efa niely be eran’ilay tany ilay didin’i Hamana hoe hovonoina daholo ry zareo

  • Mbola nanao vivery ny ainy indray i Estera, ka nankany amin’ny mpanjaka na dia tsy nantsoiny aza. Nitalaho tamin’ny mpanjaka izy mba hofoanana ilay didy

  • Tsy azo foanana anefa izay didy efa navoaka tamin’ny anaran’ny mpanjaka. Nomen’ny mpanjaka fahefana àry i Estera sy Mordekay mba hamoaka didy vaovao

Nampian’i Jehovah ny vahoakany mba handresy

8:10-14, 17

  • Navoaka ilay didy faharoa, hoe mahazo miaro tena ny Jiosy

  • Lasa haingana ireo iraka, nanaparitaka an’io didy io eran’ilay firenena. Niomana hiady àry ny Jiosy

  • Olona maro hafa firenena no lasa nanaraka ny fivavahan’ny Jiosy, satria nahita fa narovan’i Jehovah ny vahoakany