Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Raiso Tsara Izay Rehetra Tonga

Raiso Tsara Izay Rehetra Tonga

Manantena isika fa hisy 12 tapitrisa mahery ny vahiny ho tonga hanatrika Fahatsiarovana amin’ny 23 Martsa. Hahazo fanazavana tsara izy ireo rehefa hiresaka momba ny vidim-panavotana nataon’i Jehovah ilay mpandahateny, ary hanazava ny fitahiana ho azon’ny olona amin’ny hoavy. (Is 11:6-9; 35:5, 6; 65:21-23; Jn 3:16) Tsy ny mpandahateny ihany anefa no afaka manampy an’ireo vahiny. Afaka manao ny anjarantsika koa isika rehetra, ka mandray tsara an’izay tonga. (Ro 15:7) Ireto misy soso-kevitra:

  • Aza mipetraka fotsiny mandra-panomboky ny fandaharana, fa mandehana manatona an’izay vahiny vao tonga, na ireo olona tsy mitory intsony. Mitsikia ary arahabao tsara izy ireo

  • Azo inoana fa tena horaisinao tsara ny olona nasainao manokana, kanefa jereo koa ireo vahiny mety hoe tonga fotsiny satria nahazo fanasana. Asao ny olona vaovao mba hiara-mipetraka aminao, ary ampindramo Baiboly sy fihirana

  • Rehefa mirava dia manatòna an’ireo vahiny, amin’izay izy tsy misalasala raha misy tiany hanontaniana. Raha tsy tena afaka miresaka ianareo satria mbola misy fiangonana hampiasa an’ilay efitrano, dia manaova fotoana mba hitsidihana azy haingana. Raha tsy anananao ny adiresiny na ny nomeraony, dia afaka miteny ianao hoe: “Mba tiako ho fantatra hoe ahoana ny fahitanao an’ilay fandaharana teo? Mety ve raha mba mankany aminareo aho na mitelefaonina anao?”