Manasa olona hanatrika ny Sakafo Harivan’ny Tompo, Albania

TARI-DALANA HO AN’NY FIAINANTSIKA SY NY FANOMPOANA Martsa 2017

Fomba Fitory Modely

Fomba fanolorana Ny Tilikambo Fiambenana sy fomba anazavana ny marina momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Jereo ny modely ka mamoròna fomba fitory mety aminao.

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

“Momba Anao Aho, mba Hanafaka Anao”

Rehefa notendren’i Jehovah ho mpaminany i Jeremia, dia nieritreritra hoe tsy ho hainy ilay asa. Nanome toky azy anefa i Jehovah hoe hanampy azy.

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Tsy Nanao ny Sitrapon’i Jehovah Intsony Izy Ireo

Nihevitra ny Israelita fa heken’i Jehovah ny sorona nataony, na manao ratsy aza izy ireo. Nahariharin’i Jeremia anefa hoe nanota sy nihatsaravelatsihy izy ireo.

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Ahoana no Ampiasana ny Bokikely Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah?

Ampiasao io bokikely io mba hanampiana ny mpianatra hahafantatra ny momba ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny ataony ary ny fandaminany.

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Mila ny Tari-dalan’i Jehovah ny Olona Raha Te Hahomby

Niadana sy sambatra ary tsy nanana ahiahy izay nanaiky hotarihin’i Jehovah, tany Israely fahiny.

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Ahoana no Ampiasana ny Bokikely Mihainoa An’Andriamanitra?

Ampiasao ireo sary sy andinin-teny mba hampianarana ny fahamarinana fototra ao amin’ny Baiboly amin’ny olona tsy dia mahay mamaky teny.

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Nanadino An’i Jehovah ny Israelita

Nasain’i Jehovah nandeha 500 kilaometatra tany amin’ny Reniranon’i Eofrata i Jeremia mba hanafina fehikibo iray. Inona no tian’i Jehovah haseho avy amin’izany?

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Ampio ny Ankohonanao mba Tsy Hanadino An’i Jehovah

Hanampy anareo tsy hanadino an’i Jehovah ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana tsy tapaka sy voaomana tsara. Ahoana no ahavitana izany, na dia tsy mora aza?