Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Ahoana no Ampiasana ny Bokikely Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah?

Ahoana no Ampiasana ny Bokikely Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah?

Natao hiaraha-midinika amin’ny mpianatra Baiboly, aloha na aorian’ny fianarana, ny bokikely Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah? * Manampy an’ilay mpianatra io bokikely io mba hahafantatra ny momba antsika (lesona 1-4) sy ny ataontsika (lesona 5-14) ary ny fandaminantsika (lesona 15-28). Tsara raha asesy ireo lesona, raha tsy hoe misy antony manokana angaha. Pejy iray fotsiny ny lesona tsirairay ary matetika no vita ao anatin’ny dimy ka hatramin’ny folo minitra.

  • Ampahafantaro an’ilay mpianatra aloha ny lohatenin’ilay lesona

  • Vakio na asaivo vakiny ilay lesona. Tonga dia vakio daholo ilay izy na ataovy isaky ny fizarana

  • Iaraho midinika izay avy novakinareo. Ampiasao ny sary sy ireo fanontaniana eo amin’ny faran’ny pejy. Vakio sy iaraho midinika izay andinin-teny hitanao hoe ilaina hasongadina. Ampio izy hahatakatra hoe ireo lohatenikely amin’ny sora-matevina no valin’ilay fanontaniana eo amin’ny lohateny

  • Raha misy an’ilay efajoro hoe “Iezaho Atao Izao”, dia vakio ilay izy ary ampirisiho hampihatra ny soso-kevitra ao ilay mpianatra

^ feh. 3 Ato amin’ny Internet no misy ny fanitsiana farany indrindra amin’io bokikely io.