Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Ampio ny Ankohonanao mba Tsy Hanadino An’i Jehovah

Ampio ny Ankohonanao mba Tsy Hanadino An’i Jehovah

Nasaina nampitandrina ny Jiosy i Jeremia hoe hisy loza hanjo azy ireo, satria nanadino an’i Jehovah izy ireo. (Je 13:25) Nahoana ilay firenena no lasa maty ara-panahy toy izany? Satria tsy nifandray tsara tamin’i Jehovah intsony ny fianakaviana israelita. Azo inoana hoe tsy narahin’ny loham-pianakaviana ilay toromarika ao amin’ny Deoteronomia 6:5-7.

Mila matanjaka ara-panahy koa ny fianakaviana, mba hatanjaka tsara ny fiangonana. Hanampy ny ankohonany tsy hanadino an’i Jehovah ny loham-pianakaviana, raha manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana tsy tapaka sy voaomana tsara. (Sl 22:27) Valio ireto fanontaniana ireto rehefa avy mijery an’ilay video hoe “Aoka ho ao Am-ponao Ireto Teny Ireto”: Fanadinadinana Fianakaviana:

  • Inona no nataon’ny fianakaviana sasany mba ho afaka hanao fotoam-pivavahana foana izy ireo, na dia tsy mora aza izany?

  • Inona ny soa azon’ny fianakaviana rehefa atao tsy tapaka sy voaomana tsara ny fotoam-pivavahana?

  • Nahoana no sarotra amiko ny manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana, ary inona no eritreretiko hatao mba hamahana an’ilay olana?