Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JEREMIA 12-16

Nanadino An’i Jehovah ny Israelita

Nanadino An’i Jehovah ny Israelita

Tena sarotra ny asa nanendrena an’i Jeremia. Naka ohatra avy tamin’izy iny i Jehovah mba hanazavana fa hosaziny i Joda sy Jerosalema satria mafy loha sy mirehareha

Nividy fehikibo vita tamin’ny lamba rongony i Jeremia

13:1, 2

  • Ilay fehikibo mifatotra eo amin’ny andilana dia midika fa nifandray akaiky tamin’i Jehovah ny firenen’Israely

Nentin’i Jeremia tany amin’ny Reniranon’i Eofrata ilay fehikibo

13:3-5

  • Nafeniny tao an-tsefatsefaky ny harambato ilay izy, dia avy eo izy niverina tany Jerosalema

Niverina tany amin’ny Reniranon’i Eofrata i Jeremia mba haka an’ilay fehikibo

13:6, 7

  • Simba ilay fehikibo

Rehefa vitan’i Jeremia ilay asa nanendrena azy, vao nanazava momba an’ilay izy i Jehovah

13:8-11

  • Nankatò tamin’ny fony i Jeremia na dia tamin-javatra toa tsy nisy dikany aza. Nandray anjara tamin’ny ezaka nataon’i Jehovah mba hanohinana ny fon’ny olona izy noho izany