Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fomba Fitory Modely

Fomba Fitory Modely

NY TILIKAMBO FIAMBENANA

Fanontaniana: Araka ny hevitrao, inona no fanomezana sarobidy indrindra nomen’Andriamanitra antsika?

Andinin-teny: Jn 3:16

Atolory ilay izy: Hazavain’ity gazety ity hoe nahoana Andriamanitra no naniraka an’i Jesosy mba ho faty ho antsika, ary ahoana no ampisehoantsika fa mankasitraka an’izany isika.

INONA NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA?

Fanontaniana: [Asehoy ny fonon’ilay taratasy mivalona.] Aminao ve ny Fanjakan’Andriamanitra ... zavatra ao am-po? Sa fanjakana any an-danitra? Sa zavatra hafa?

Andinin-teny: Da 2:44; Lk 1:33

Atolory ilay izy: Ho hitanao ato ny fitahiana ho azonao raha manaiky hofehezin’io Fanjakana io ianao.

FANASANA AMIN’NY FAHATSIAROVANA

Atolory ilay izy: Misy fotoan-dehibe iray tianay hanasana anao. [Omeo azy ilay fanasana.] Olona an-tapitrisany eran-tany no hiara-hivory amin’ny 11 Aprily, mba hahatsiaro ny nahafatesan’i Jesosy. Hisy lahateny ara-baiboly amin’io hanazava hoe inona ny soa azontsika, noho izy maty ho antsika. Efa voalaza ato ny ora sy ny toerana hanaovana azy. Maimaim-poana ilay izy. Mba tongava raha afaka ianao.

MAMORÒNA FOMBA FITORY METY AMINAO

Mitadiava fanontaniana sy andinin-teny ary atolory ilay izy, toy ireo ohatra eo aloha ireo.