Manasa olona hanatrika Fahatsiarovana, Slovenia

TARI-DALANA HO AN’NY FIAINANTSIKA SY NY FANOMPOANA Martsa 2018

Hevitra Azo Resahina

Hevitra azo resahina hanasana olona hanatrika Fahatsiarovana. Fanontaniana azo apetraka: Nahoana i Jesosy no maty? Inona ny soa azo noho ny vidim-panavotana?

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

“Na Iza na Iza Te ho Lehibe Aminareo dia Tsy Maintsy ho Mpanomponareo”

Izay fanompoana hahazoana sitraka sy dera ve no tena ataontsika? Tsy manao toy izany kosa ny mpanompo manetry tena. Ho hitan’i Jehovah anefa izay ataony.

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Ankatoavy Ireo Didy Roa Lehibe Indrindra

Inona avy ireo didy roa lehibe indrindra ao amin’ny Baiboly, araka ny tenin’i Jesosy? Ahoana no ampisehoantsika hoe mankatò an’ireo didy ireo isika?

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Ahoana no Itiavana An’Andriamanitra sy ny Namana?

Tsy maintsy tia an’Andriamanitra sy ny namantsika isika. Ahoana no ahavitantsika an’izany? Tena ilaina, ohatra, ny mamaky Baiboly isan’andro.

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Miezaha Foana Hiambina Amin’izao Andro Farany Izao

Variana amin’ny fiainana andavanandro ny olona maro, ka tsy mahavita manao zavatra ara-panahy. Inona no tsy itovizantsika Kristianina amin’ity tontolo ity?

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Akaiky ny Faran’ny Rafitr’ity Tontolo Ity

Nahoana ny tenin’i Jesosy no manaporofo fa andro farany izao? Anisan’ny valiana ao amin’ilay video hoe Akaiky ny Faran’ny Rafitr’ity Tontolo Ity izany.

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

“Miambena Hatrany”

Inona no mifanitsy amin’ny mpampakatra, virjiny malina, virjiny adala ao amin’ny fanoharana momba ny virjiny folo? Mandrisika anao hanao inona io fanoharana io?

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hatsarao ny Fanompoanao: Ampianaro Hanomana ny Mpianatra

Dieny eo am-boalohany ny mpianatra Baiboly, dia tokony hozarina hanomana ny fianarany. Ahoana no hanaovana an’izany?