Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Ahoana no Itiavana An’Andriamanitra sy ny Namana?

Ahoana no Itiavana An’Andriamanitra sy ny Namana?

Tsy eo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy intsony ny Kristianina. Mamintina tsara an’izay takin’i Jehovah amintsika anefa ny didy roa lehibe indrindra ao, dia ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiava-namana. (Mt 22:37-39) Mila ezaka izany fa tsy mandeha ho azy. Inona àry no ilaina atao? Tena ilaina, ohatra, ny mamaky Baiboly isan’andro. Hahita “ny hatsaran’i Jehovah” mantsy isika, rehefa mandinika an’ireo toetrany samihafa voalaza ao. (Sl 27:4) Ho tia azy kokoa isika, ary hitovy kokoa amin’ny azy ny fomba fihevitsika. Manjary te hankatò ny didiny isika, anisan’izany ilay hoe tokony ho tia olona sy hahafoy tena ho azy ireo. (Jn 13:34, 35; 1Jn 5:3) Ireto misy fomba telo hanampy anao ho tia kokoa mamaky Baiboly:

  • Alao sary an-tsaina izay vakinao. Eritrereto hoe manatrika eo mihitsy ianao. Inona no hitanao sy renao, ary inona ny fofona henonao? Inona no mety ho tsapan’ireo olona voaresaka ao?

  • Ovaovao ny fomba amakianao azy. Ireto misy soso-kevitra: Mamaky mafy an’ireo andininy, na mihaino raki-peo sady manaraka ao amin’ny Baiboly. Mamaky tantaran’olona iray na foto-kevitra iray, fa tsy asesy ireo toko. Ampiasao, ohatra, ny Fizarana 4 na 16 ao amin’ny Tari-dalana Hianarana ny Tenin’Andriamanitra, rehefa mamaky ny tantaran’i Jesosy. Na vakio manontolo ny toko nakana ny teny hodinihina isan’andro. Azonao asesy araka ny fotoana nanoratana azy koa ireo boky ao amin’ny Baiboly.

  • Ataovy azo tsara izay vakinao. Aleo mahavaky toko iray isan’andro nefa azo sy nosaintsainina tsara, toy izay mahavaky toko be dia be satria hoe maika hamita fotsiny. Diniho ny teny manodidina. Fakafakao ireo tsipiriany. Ampiasao ireo sarintany sy fanondroana andininy hafa. Raha misy hevitra tsy mazava, dia manaova fikarohana momba ny iray amin’izy ireny, fara fahakeliny. Ataovy mitovy ny fotoana laninao amakiana sy isaintsainana, raha azo atao.