Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hatsarao ny Fanompoanao: Ampianaro Hanomana ny Mpianatra

Hatsarao ny Fanompoanao: Ampianaro Hanomana ny Mpianatra

NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA? Mora mahatakatra sy mahatadidy kokoa an’izay ampianarina azy ny mpianatra Baiboly, rehefa manomana. Arakaraka ny zavatra takany sy tadidiny no hampandroso azy haingana na tsia. Mbola mila manomana fivoriana sy fanompoana izy ireo, na efa vita batisa aza. Hanampy azy ‘hiambina hatrany’ izany. (Mt 25:13) Handray soa izy mandritra ny androm-piainany, raha zatra mianatra sady fantany tsara izay tokony hatao rehefa mianatra. Dieny eo am-boalohany izy, dia tokony hozarina hanomana ny fianarany.

AHOANA NO HANAOVANA AZY?

  • Omeo modely izy. (Ro 2:21) Eritrereto ilay mpianatra rehefa manomana ny fampianarana tsirairay. (km 11/15 3) Ataovy hitany hoe voatsipika ny bokinao

  • Ampirisiho izy hanomana. Vao manaiky hianatra izy, dia lazao azy fa mila manomana izy satria anisan’ilay fandaharana fampianarana Baiboly izany. Hazavao aminy koa ny soa ho azony rehefa manao izany. Omeo soso-kevitra izy mba hahitany fotoana hanomanana. Ampindramin’ny mpitory sasany an’ilay mpianatra ny bokiny efa voatsipika, mandritra ny fianarana. Hitany amin’izay hoe tena tsara ny manomana. Derao izy rehefa manomana

  • Atoroy azy ny fomba fanomanana. Dieny eo am-boalohany, dia aleon’ny mpitory sasany atoro an’ilay mpianatra mihitsy aloha ny fomba fanomanana ny lesona iray, fa amin’ny manaraka izy ireo vao mianatra